vendredi 2 septembre 2022

FANAMBARANA MIKASIKA NY FANDRIAM-PAHALEMANA

 NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA 


dia


. Manameloka ny Fitifirana ny vahoaka sivily tany Ikongo sy Ankazobe ary Sakay ary nahafatesana malagasy sivily am-polony sy nandratra sivily ampolony maro. 


. Mamerina indray fa ny Mpitandro Filaminana dia natao hiaro ny vahoaka sy ny fanànany ary ny Tanindrazana,


 fa tsy natao hitiftra na handratra na hampijaly na hamono ny vahoaka sivily.


. Manambara fa ny Mpitandro Filaminana dia tsy natao hiaro ireo dahalo na ireo mpanao politika na vahiny mpanao kolikoly sy mpangalatra. 


. Miara-ory amin' Ny Ndrenogny na Ampanjaka be ao amin' ny Fanjakana Antagnala ao Ikongo sy ny vahoaka manontolo.


. Miara-ory amin' ny fianakaviana manjo tany Ankazobe, Sakay, Toamasina, Farafangana, any Atsimo, ary manerana ny Nosy vokatry ny asan-dahalo ka nahafatesana malagasy mpiray tanindrazana maro tsy voatanisa. 


. Mirary Fahasitranana haingana sy feno ho an' ireo vahoaka malagasy voatifitry ny dahalo sy ny mpitandro filaminana. 


. Manambara fa tsy misy Fandriampahalemana eto amin' ny Tany sy ny Firenena. 


. Manambara fa manjakazaka ny kolikoly indrindra eo anivon' ny fitondrana nifandimby sy eo anivon' ny fiaraha-monina.


. Manambara fa tsy mahatoky ny Fitsarana, izay hita matetika fa mitanila amin' ny tsy marina sy tsy rariny, ny vahoaka malagasy maro an'isa. 


. Mahatsapa fa ny vahiny indray no homena vahana eto amin' ny tany sy ny firenena fa tsy ny malagasy. 


. Manambara fa tsy mahatoky ireo mpanao politika nifandimby intsony ny vahoaka maro an' isa izay vao maika tena latsaka ao anaty Fahantrana lalina .


Noho izany:


. Mila Fanovana tanteraka ny rafitra politika eto Madagasikara ary mila Olombaovao maro, matahotra an' Ilay Mpahary, tsy mpanao kolikoly, tena tia tanindrazana, manaja ny Soatoavina malagasy, tena mahay, tena mahavita azy, miaraka amin' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ho Famonjena ny firenena. 


NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo Vohitra masina, 

Taona Sabotsy, 01 Septambra 2022.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Avy amin'ny Lahimatoan' i Madagasikara, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara. 


Sary : Tranobe ny Ndrenogny na Ampanjaka be, izay miloko mena, ao amin'ny Fanjakana Antagnala ao Ikongo. 


#Mpahary #Madagasikara #Ikongo #Ndrenogny #Antagnala #Soatoavina #Malagasy #Mpanjaka #RabarioelinaANAMBARANA 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire