samedi 3 août 2019

JOBILY FAHA-150 TAONA NY TEMPOLIN' NY MPANJAKA (1869-2019), ROVA ANTANANARIVO



Ny Tempolin' ny Mpanjaka, ao amin' ny Rova Antananarivo, dia naorin' ny Mpanjaka RANAVALONA II tamin'ny 20 Jolay 1869. Marihina fa ny Mpanjaka RANAVALONA II (1868-1883) no nanao Fanambarana sy nanao Tempoly manamarika mandrakizay fa JESOA KRISTY NO MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO eto Madagasikara. 

Vita soa aman-tsara ny Fotoam-Pivavahana Fanombohana ny Jobily ary notanterahina tamin' ny Sabotsy 20 Jolay 2019 maraina sy Alahady 21 Jolay 2019 maraina. N.A. Pasteur Tolotra RATEFY mpitandrina notendren'i Jesosy Kristy hitondra ny Tempolin'ny Mpanjaka, Tempoly Anatirova, no nitarika ny Fotoana sy nitantara ny Fifandraisan'ny Tempolin'i Jerosalema sy ny Tempoly Anatirova Antananarivo ary ny Anjomara fito izay nasain' Andriamanitra notsofina teto Madagasikara. 

N.A. Pasteur Mamy RAKOTOMALALA no nanatontosa ny Fotoam-Pivavahana sy nitoriteny ny Sabotsy. N.A. Pasteur Rina TELESPHORE no nitarika ny Fotoam-Pivavahana 


ary ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara, no nitondra ny Tenin'Andriamanitra ny Alahady, araka ny Teny Fikasan'Andriamanitra ho an'i Madagasikara sady Teny Faneva ny Jobily hoe ''...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO...'' (Isaiah 60:1). 


Ny Général de Corps d'Armée Guy RATRIMOARIVONY no nitondra ny Hafatry ny Fianakavian'ny Mpanjaka RANAVALONA II ny Sabotsy, Ny Commissaire de Police Alain RAJASPERA no nitondra izany ny Alahady, ary N.A. Alain RAKOTOMAVO no mpandrindra. 


N.A. Pasteur Josefa ANDRIANAIVORAVELONA moa no Pasteur voalohany tao amin'ny Tempolin'ny Mpanjaka Anatirova, ary nisy Zoky raiamandreny avy amin'ny Taranaka no nitondra ny Tenin'ny fianakaviany. N.A. Mahery ANDRIANAIVORAVELONA, 1er Prix du Concours International de Piano de Paris, no nitendry ny Feonkira '' ENDREY NY HAMAROAN' NY SOA...'' (Hira FFPM 537) noforon'ny razambeny izay mpitandrina voalohany tao amin'ny Tempoly Anatirova. N.A. Mahefa RAMIANDRISOA no nitendry orga tamin'ny Fotoam-pivavahana. Nantsoina manokana sy nikarakara ary tonga maro ny Fianakavian' ny Mpanjaka RANAVALONA II avy ao Ambatomanoina sy ny Fianakavian' ny Pasteur Josefa ANDRIANAIVORAVELONA avy ao Ambohitrombihavana. 

Tonga nanatrika izany koa N.A. Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA Sekretera Jeneraly ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara, N.A. Professeur Bienvenu RAMANANA Zokiolona avy amin' Ny ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA, N.A. Parfait RAZAFIMANANTSOA, Filohan' ny Fikambanana ZANADRALAMBO AMIN' ANDRIANJAKA, N.A. Solonavalona ANDRIAMIHAJA, Filohan'ny Terak'ANDRIAMASINAVALONA, N.A. Navalona RANDRIANAIVO Lehiben' ny Teraka RAVOLOLOTSIMITOVIAMINANDRIANDEHIBE, N.A. Jacques ANDRIAMANOHY Zokiolona amin'ny Terak' ANDRIANAMBONINOLONA. Ny Princesse Fenosoa RALANDISON, zafikelin'ny Prince RATSIMAMANGA Lehiben'ny Zanakandriana tamin' ny andron' ny Mpanjaka RANAVALONA III, no nisaotra amin' ny anaran'ny fianakaviany. 

Tonga maro koa ny Solontena avy amin'ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina ary nisy Vavaka manokana ho an' ny Fianakavian' ireo Mpanjaka Merina sy ny Fianakaviany (toa an' ANDRIANERINERINA, RALAMBO, ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA, ANDRIANJAKA, ANDRIAMASINAVALONA, ANDRIANAMPOINIMERINA, RADAMA, RANAVALONA I, RASOHERINA, RANAVALONA II, RANAVALONA III) sy Vavaka ho Fanarenana ireo Lapa toa an' i BESAKANA, MANJAKAMIADANA, TRANOVOLA, MANAMPISOA ho hataon' ny fianakaviana ary manaraka ny soatoavina andriana napetrak'ireo razambe Mpanjaka sy araka ny Sitrapon'Andriamanitra.

 N.A. Pasteur Tolotra RATEFY sy ireo mpitandrina nanotrona azy no nanao ny Tsodrano araka ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Bokin' ny FANISANA 6:24-26. 

Ary ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA avy amin'ny LAHIMATOAN' IMERINA no nankasitraka sy nankatelina ny mpikarakara rehetra sy ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ary ireo tonga nanatrika rehetra amin' ny anaran' ny Komity Foibe sy ny Komitin' ny Jobily. 


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo, vohitra masina, vohitr'andriana, faha-21 Jolay 2019.

Ny Mpanjaka RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.