jeudi 16 décembre 2021

NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA DIA TSY MANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO

  NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.


lundi 8 novembre 2021

ANTSO HO AN NY FIRENENA (06 NOVAMBRA 2021)

 " MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO. " (Isaiah 60:1)

ANTSO HO AN'NY FIRENENA :

NY ROVAN' ANTANANARIVO DIA TOERANA MASINA ARY MISY HASINA SY FADY TOKONY HAJAINA.
MILA HESORINA HAINGANA ILAY COLISÉE IZAY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA ARY MITONDRA OZONA HO AN' NY FIRENENA.

IZAY REHETRA MPITONDRA NIFANDIMBY KA NANOTA FADY TAO AMIN'NY ROVA ANTANANARIVO
DIA NIONGANA AVOKOA.

MADAGASIKARA DIA FIRENENA ANISAN' NY MANANKARENA INDRINDRA ERANTANY, KANEFA NY VAHOAKA MALAGASY NO ANISAN' NY DIMY MAHANTRA INDRINDRA ERAN-TANY.

ARY VAO MAIKA MITONTONGANA HATRANY NY FARI-PIAINAN' NY VAHOAKA MALAGASY TAO ANATIN' NY 61 TAONA (1960-2021).

NY TANIN' IREO VOANJO TSY AZO KITIHINA, FA NY TANIN' NY MALAGASY AZO ALAINA.
TSY AZO EKENA INTSONY.

MILA FANOVANA TANTERAKA, MILA RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO,
MILA MPITONDRA POLITIKA VAOVAO MANKATOA AN'ILAY MPAHARY,
MANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY,
MILA TOMPON'ANDRAIKITRA MARO TENA AVO LENTA, TENA MAHAY, TSY MPANAO KOLIKOLY, TIA TANINDRAZANA, AMIN' NY ANDRAIKITRA AMBONY REHETRA.

MIANTSO NY HERY VELONA REHETRA, INDRINDRA NY FFKM, NY FIANGONANA, NY VAHOAKA MALAGASY, NY FIARAHAMONIM-PIRENENA, NY MPITANDRO FILAMINANA, NY TAFIKA, HIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA, MIARAKA AMIN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, HO FAMONJENA NY FIRENENA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONiNAHITRA !

Antananarivo Vohitra Masina, 06 Novambra 2021.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

Interview I-BC Télévision Madagascar,
Sabotsy 06 Novambra 2021.

lundi 4 octobre 2021

FIHAONAN NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY TERAKY NY MPANJAKA BETSILEO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY IREO SOLONTENA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA

TAMIN' NY FILOHA ROLAND RANDRIAMANANTENA SY IREO SOLONTENA FIKAMBANANA TERAKY NY PRINCE RAMAHARO SY PRINCESSE RAKAJY,
TARANAKA MPANJAKA RAINDRATSARA, FANJAKANA BETSILEO LALANGINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA,

SY FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

LAPA VOHIMASINA, FANJAKANA BETSILEO,
SABOTSY, FAHA-18 SEPTAMBRA 2021.

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,.
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

TAMIN' NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III, ANTAKARANA, AMPANJAKAN' ANKARABE, FANJAKANA AVARATR' I MADAGASIKARA (FARITRA DIANA sy FARITRA SAVA)

SY NY PRINCE LAZAMANA, MPANDOVA FANJAKANA MAHAFALY, ATSIMON' I MADAGASIKARA,

SY NY PRINCESSE FRANCIA KAMAMY, SAKALAVA MENABE, ANDREFAN' I MADAGASIKARA,

ARY NY SOLONTENA FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NREGNONY ANTEMORO RAMAHASITRAKARIVO SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA SY AMPANJAKA ANTAGNALA

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,
SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA ARY AMPANJAKA ANTAGNALA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


ANTANANARIVO VOHITRA MASINA, FAHA-11 AOGOSITRA 2021.

vendredi 6 août 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TAO IVATO-VOHIPENO

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

SY IREO SOLONTENA NY FIANAKAVIAMBEN' NY AANDRAIANA MERINA,


TAMIN' NY NDREGNONY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BE NY FANJAKANA ANTEMORO,

TAO AMIN' NY LAPA FENOVOLA, VOHIPENO,


HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANIKINA,

ARY FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARA MIAFI' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA): NY LASA SY NY ANKEHITRINY ARY NY HO AVY.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


LAPA FENOVOLA, VOHIMASINA, AOGOSITRA 2021.

samedi 29 mai 2021

HAFATRA: MITSANGANA MIHAZAVA HO FAMONJENA NY FIRENENA!

HAFATRA HO AN' NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA REHETRA:

FANAMBARANA: 

Ny FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA sy ny FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA ary ny FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA

dia MANAMELOKA :

1) Ny FANDOROANA FASANA AO MAHAZAZA AMBOHIMANGA,

2) Ny FANOTANA FADY amin' ny FAMETRAHANA COLISÉE ao amin' ny ROVA ANTANANARIVO sy ny FANOVANA NY ANARAN' NY ROVA,

3) Ny FANOTANA FADY eny AMBOHITRANDRIANANAHARY sy amin' ny TOERANA MARO.

4) Ny FANOMEZANA ZOM-PIRENENA HO AN' NY VAHINY SY NY MPIHAVY.

5) NY FANGALARAN-TANY ATAON' NY VAHINY AMIN' NY FOMBA MARO SAMIHAFA SY NY FANDROBANA NY HAREM-PIRENENA.

AOKA IZAY NY TSY FANAJANA NY SOATOAVINA SY NY FANAPOTEHINA NY FIRENENA !

MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, ISIKA TIA TANINDRAZANA REHETRA MANERANA AN' I MADAGASIKARA SY ANY AM-PITANDRANOMASINA, HO FAMONJENA ny FIRENENA !

TANY MASINA I MADAGASIKARA!

Antananarivo, Vohitra Masina, 29 Mey 2021.

Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

-----------------------------------------------

THE ROYAL HOUSE OF MADAGASCAR

condemns:

1) the Arson Attack of the Mahazaza Tombs in the sacred Hills of Ambohimanga,

2) the construction of a Coliseum, a Profanation of the sacred and royal site of the Rova of Antananarivo as well as its name.

3) the Profanation of the sacred site of Ambohitrandriananahary and other sacred sites.

4) the Landgrabbing in many regions by foreigners and the Plundering of the national wealth.

Arise, Shine, All Patriots for the Salvation of Madagascar !

Madagascar is a Sacred Land !

The Sacred and Royal City of Antananarivo, May 29, 2021.

HRM King NDRIANA RABARIOELINA,
Elder Branch of the Royal House,
Head of the Royal House of Madagascar.

jeudi 15 avril 2021

ARAHABA TRATRY NY PASKA FANDRESENA!

FAHATSIAROVANA NY FANAFAHANA NY ZANAK'ISRAELY TAMIN' NY FANANDEVOZANA TANY EGYPTA!

FAHATSIAROVANA FA NITSANGANA TAMIN' NY MATY I JESOA KRISTY TOMPO! MANOLOANA NY KRIZY ARA-PANAHY, NY KRIZY POLITIKA, NY KOLIKOLY AVO LENTA, NY TSY FAHAMARINANA, NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA, NY KRIZY ARA-TOEKARENA, NY KRIZY ARA-SOSIALY, NY HANOHANANA MAHAZO NY VAHOAKA AN-TAPITRISA MARO, NY KRIZY ARA-PAHASALAMANA, NY TSY FAHAMPIAN' NY RANO FISOTRO, NY ARETINA MANDRINGANA SY IREO FATY MIKARARANA, ...SY NY SISA MARO, ETO AMIN' NY FIRENENA, HITONDRA FITAHIANA SY FAHASOAVANA HO ANTSIKA REHETRA ANIE ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, AO AMIN' I JESOA KRISTY, MPANJAKAN NY MPANJAKA SY TOMPON NY TOMPO! ARY HITONDRA FAMONJENA SY FANDROSOANA HO AN' NY FIRENENA MANONTOLO, AMIN' NY ALALANTSIKA! "...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO. FA, INDRO, NY AIZINA MANARONA NY TANY, ARY NY AIZIM-PITO MANARONA NY FIRENENA MARO, FA AMINAO KOSA NO IPOSAHAN' ILAY MPAHARY ARY AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY...'' (Isaiah 60:1-2). DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA! Antananarivo, Vohitra masina, 01 Abib 6021 na faha-04 Aprily 2021. Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.


jeudi 4 février 2021

TANTARAN'ANDRIANA ETO MADAGASIKARA : NY FANDOVANA FANJAKANA :

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000-1020 AD) ao Vohimasina Maroantsetra no razamben' ny Mpanjaka maro eto Imerina sy ny Mpanjakan'i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARAMANANA (c.1020-1040 AD) zanany no nandimby azy ary nanjaka tao Vohidrazana 1.

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARAFEFY (c.1040-1060 AD) zanany no nandimby azy Ary nanjaka tao Vohidrazana II.

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA (c.1080-1100 AD) zanany no nandimby azy Ary nanjaka tao Anevoka,

dia samy razamben' ny Mpanjaka teto Imerina.


Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1280-1300 AD) no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina dia efa nanomboka tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c.1280 AD).

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, Mpanjaka RFARAMAHERIOMBY vadin' ANDRIAMPENITRA na RAFANDRAMANENITRA, Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-1500 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 



Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay TSY AZO HOVAINA:

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny HAFATRA sy ny SOATOAVINA ANDRIANA MERINA navelan' ireo RAZAMBE MPANJAKA ary nohamafisin' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary mbola nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia 

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY DIA MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !



Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

samedi 23 janvier 2021

FANAMBARANA HO FAMONJENA NY FIRENENA

 FANAMBARANA :


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


dia


1) MIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA, MIARO NY HASINA, NY SOATOAVINA MALAGASY, NY VAKOKA RAKITRY NY ELA, NY TANINDRAZANA ARY NY VAHOAKA MALAGASY VOAN'NY TSINDRY AZO LENA,


ary 


2) MANAMELOKA ny FANOTANA FADY sy ny FANDOROANA IREO ROVA, toy ny ROVA ANTANANARIVO, AMBOHIDRATRIMO, AMBOHIMALAZABE, ary ANDREVOLA MASIKORO (Taona 1995-2020).


3) MANAMELOKA ireo MPITONDRA POLITIKA MARO nanao FITSAPA-KEVIBAHOAKA sy FIFIDIANANA FENO HOSOKA SY FENO HALABATO (+ 01 TAPITRISA anarana miverina na +1 MILLION DE DOUBLONS) sy ireo MPITONDRA SY MPITSARA HCC MARO NANKATOA izany (1958-2020).


4) MANAMELOKA ireo MPITONDRA POLITIKA MARO MANAO AM-PIHIMAMBA NY HAREM-PIRENENA sy Ireo MPANGALATRA KARANA, SINOA, VAZAHA, miaraka aminy, nanao FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO IREO HARENAM-PIRENENA, 


toy ny 50.000 TONNES ANDRAMENA na BOIS DE ROSE (mitentina +01,25 MILLIARDS DOLLAR USD = +23.437 MILLIARDS FMG), 


ny 300 TONNES VOLAMENA (mitentina +342.000 MILLIARDS FMG), tamin' ny Taona 1975-2020.


NY VAHOAKA MALAGASY VAO MAIKA MIJALY! 

AOKA IZAY !


NY TANY MANANA NY HASINY,

NY VOHITRA MANANA NY FADINY,


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


5) NOHO IZANY : ... MANAO ANTSO AVO AMIN' NY HERY VELONA REHETRA HIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA SY NY FIAROVANA NY TANINDRAZANA !


MILA MPITONDRA POLITIKA VAOVAO MARO, MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA, MIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA, TIA TANINDRAZANA, MANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY SY NY VAHOAKA MALAGASY, TENA MAHAY SY TENA MAHAVITA AZY HO FAMONJENA NY FIRENENA !


"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO , ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


"... NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA...".


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


DIA HO AN'ILAY MPAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Vohitra masina, faha-21 Janoary 2021.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.


--------------------------------


STATEMENT :


HRM KING NDRIANA RABARIOELINA,

FROM THE ELDER BRANCH OF THE ROYAL HOUSE,

HEAD OF THE ROYAL HOUSE OF MADAGASCAR,

has declared that :


1) HE STANDS UP FOR THE RESPECT OF THE LORD THE CREATOR OF THE UNIVERSE, THE DEFENSE OF THE RIGHTEOUSNESS, THE SACRALITY, THE MALAGASY CULTURAL PATRIMONY AND VALUES, THE COUNTRY, AND THE MALAGASY PEOPLE,


and 


2) HE CONDAMNS THE PROFANATION AND THE CRIMINAL FIRES OF ROYAL SITES, such the ROYAL SITES OF ANTANANARIVO, AMBOHIDRATRIMO, AMBOHIMALAZA, and ANDREVOLA MASIKORO (in 1995-2020).


3) HE CONDAMNS THE MASSIVE ELECTORAL FRAUDS AND REFERENDUMS with more than ONE MILLION DOUBLONS, made by many POLITICAL  LEADERS, and adopted by many PRESIDENTS AND MEMBERS OF THE HIGH COURT OF CONSTITUTION (HCC) in 1958-2020.


4) HE CONDAMNS THE PLUNDERING and the ILLEGAL EXPORTATIONS  of MANY NATIONAL WEALTHS made by many POLITICAL LEADERS and some KARANA, CHINESE, and VAZAHA TRAFFICKERS, 


such as  more than 50,000 TONS OF ROSEWOOD (with a value of +1.25 BILLION DOLLAR USD),


more than 300 TONS OF GOLD (with a value of +17.7 BILLION DOLLAR USD) in 1975-2020.


STOP IT !


MADAGASIKARA DIA TANY MASINA !


CONCLUSION : ... WE CALL ON ALL THE LIVING FORCES FOR THE RESPECT OF THE LORD THE CREATOR OF THE UNIVERSE, THE DEFENSE OF THE RIGHTEOUSNESS, THE COUNTRY, AND THE MALAGASY PEOPLE... AND TO SAVE THE NATION !


"...ARISE, SHINE, FOR YOUR LIGHT HAS COME, AND THE GLORY OF THE LORD THE CREATOR OF THE UNIVERSE RISES UPON YOU....".


"... RIGHTEOUSNESS EXALTS A NATION...".


"... BLESSED IS THE LAND WHOSE KING IS OF NOBLE BIRTH...".


GLORY TO THE LORD THE CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER !


Antananarivo, the sacred and royal city, January 21, 2021.


HRM KING NDRIANA RABARIOELINA,

FROM THE ELDER BRANCH OF THE ROYAL HOUSE,

HEAD OF THE ROYAL HOUSE OF MADAGASCAR.


------------


Sources : 

- Royal House of Madagascar.

- United-Nations Trade Communication Database.

- World Bank. 

- Transparency International.

- Extractive Industries Transparency Initiative (EITI).

-.World Wildlife Fund for Nature (WWF).

- All media on Madagascar.


Note : 

. 1 Dollar USD = +3.750 Ariary (January 21, 2021).

. 1 Euro = +4.560 Ariary.

. 1 gram of Gold = +59 Dollar USD.



vendredi 15 janvier 2021

FANAMBARANA MIKASIKA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA

FANAMBARANA :


Ny  Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA, 

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA, 

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, 


dia manao Fanambarana fa 


TSY AZO ATAO SY TSY EKENA ARY TENA FANOTANA FADY NY TSY FANAJÀNA NY HASINA SY NY SOATOAVINA MALAGASY ARY NY FANAPOTEHINA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA,


tahaka ny eny an-tampon' AMBOHITRANDRIANANAHARY, VOHITRA ANDRIANA, VOHITRA MASINA,


izay NAORIN' ANDRIAMANANINTANY (c.1580 AD), LOHARAN' IREO MPANJAKA MERINA SY MPANJAKAN'I MADAGASIKARA, HO AN'NY TARÀNANY, 


NY FANAPOTEHINA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA DIA TENA FANOTANA FADY ARY MAHA-VOASAZY EO ANATREHAN'NY LÀLANA.


AOKA IZAY !


NY TANY MANANA NY HASINY,

NY VOHITRA MANANA NY FADINY.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Alakamisy faha-14 Janoary 2021.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA..

mercredi 6 janvier 2021

FANAMBARANA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA MIKASIKA NY VOLAMENA AN' I MADAGASIKARA (2021)

  FANAMBARANA :


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN'NY LAHIMATOAN' NY FIANAKAVIANA MPANJAKA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


dia manao Fanambarana fa:


Tsy azo ekena ny fanondranana volamena an-tsokosoko, tsy ara-dalàna, efa an-taonany maro, avy eto Madagasikara mankany ivelany, izay mitombo isan-taona. Ary ireto misy tarehimarika kajy vitsivitsy:


FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO VOLAMENA :


 1) Datin'ny 31 DESAMBRA 2020:

73,5 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +16,9 MILIARA ARIARY = + 84,5 MILIARA FMG .... !!!


2) Raha Volamena 15 taonina isan-taona, mankany ivelany, ary izany dia manome tarehimarika:

15 taonina x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +3,450 MILIARA ARIARY = +17,250 MILIARA FMG !!!


3) Raha 200 Taonina (tamin' ny Taona 2008-2016):

200 Taonina x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +46,000 MILIARA ARIARY = +230,000 MILIARA FMG !!!


Ankoatr'izay, i Madagasikara dia nanjary anisan'ny firenena  dimy mahantra indrindra manerantany, nanomboka ny taona 2013, ary miharatsy hatrany izany mandraka ankehitriny amin'ny 2021.


Tena tsy azo ekena satria miha-mahantra isan'andro ny Vahoaka Malagasy maro an'isa. Amin'izao fotoana izao, maherin'ny 1,3 tapitrisa ny Malagasy tena tsy ampy sakafo ary atahorana ho faty mosary sy hetaheta.


Izany dia vokatry ny tsy fahombiazan' ireo mpitondra politika nifandimby, nanomboka tamin'ny 1960 ka mandraka ankehitriny.


FEHINY : MITAONA NY HERY VELONA REHETRA HIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA SY NY FIAROVANA NY TANINDRAZANA !


MILA MPITONDRA POLITIKA VAOVAO MARO, MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA, TSY MPANAO KOLIKOLY, MANANA FAHAMENDREHANA, TENA TIA TANINDRAZANA, MANAJA ny HASINA sy ny SOATOAVINA MALAGASY, MANAJA ny VAHOAKA MALAGASY, TENA MAHAY sy TENA MAHOMBY ...MBA HAMONJENA ny FIRENENA!


SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Vohitra masina, Vohitr' Andriana, 07 Janoary 2021, amin'ny 0 ora52 maraina.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN'NY LAHIMATOAN' NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.


---------------------------------

DECLARATION


 DE S.M.R. NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

DE LA BRANCHE AÎNÉE DE LA MAISON ROYALE,

CHEF DE LA MAISON ROYALE DE MADAGASCAR :


Il est inadmissible que depuis des années, les exportations illicites d'or en provenance de Madagascar vers l'extérieur augmentent d'année en année. En effet, voici quelques chiffres : 


EXPORTATION ILLICITE D'OR :


 1) DATE DU 31 DÉCEMBRE 2020 :

73,5 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +16,9 MILLIARDS ARIARY = + 84,5 MILLIARDS FMG ....!!! 


2) AVEC 15 TONNES D'OR PAR AN, CELA FAIT :

15 Tonnes x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +3.450 MILLIARDS ARIARY = +17.250 MILLIARDS FMG !!!


3) AVEC 200 TONNES D'OR (ENTRE 2008 ET 2016) :

200 Tonnes x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +46.000 MILLIARDS ARIARY = +230.000 MILLIARDS FMG !!! 


Par ailleurs,  Madagascar est devenu parmi les cinq nations les plus pauvres du monde depuis 2013, et cela s'empire jusqu'à nos jours en 2021. 


Il est inadmissible que la population s'appauvrisse encore de jour en jour. Actuellement, plus de 1,3 millions de Malagasy sont dans l'insuffisance alimentaire très grave et risquent de mourir de faim et de soif.


C'est un constat d'échec des dirigeants politiques successifs depuis 1960 jusqu'à nos jours.


CONCLUSION :

NOUS APPELONS TOUTES LES FORCES VIVES DE LA NATION POUR SE LEVER, MARCHER DANS LA DROITURE ET DÉFENDRE LE PAYS !


 IL FAUT DE NOUVEAUX DIRIGEANTS POLITIQUES , CRAIGNANT L'ETERNEL, INTÈGRES PATRIOTES, RESPECTANT LA SACRALITÉ ET NOS VALEURS ANCESTRALES, RESPECTANT LA POPULATION MALAGASY,  TRÈS COMPÉTENTS, ET TRÈS EFFICACES POUR SAUVER LA NATION !


BÉNI SOIT LE PAYS DONT LE ROI EST NOBLE DE NAISSANCE !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


A L'ETERNEL, LE CRÉATEUR DE L'UNIVERS, SEUL SOIT LA GLOIRE !


Antananarivo, la ville sacrée et royale,

 le 07 Janvier 2021 à 0h52mn.


S.M.R. NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

DE LA BRANCHE AÎNÉE DE LA MAISON ROYALE,

CHEF DE LA MAISON ROYALE DE MADAGASCAR.


Sources:

- Royal House of Madagascar.

- Banque Mondiale, 1960-2020.

- United Nations International Trade Statistics Database (UNCom Trade).

- Extractive Industries Transparency Initiative (EITI).

- Transparency International.

- Agence Reuters.

-  L'Express de Madagascar, 27 Octobre 2020.

- Tous les médias sur Madagascar.


Remarques : 

. 1gr d'Or = +50 Euros (janvier 2021).

. 1 Euro = +4.600 Ariary.