jeudi 4 février 2021

TANTARAN'ANDRIANA ETO MADAGASIKARA : NY FANDOVANA FANJAKANA :

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000-1020 AD) ao Vohimasina Maroantsetra no razamben' ny Mpanjaka maro eto Imerina sy ny Mpanjakan'i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARAMANANA (c.1020-1040 AD) zanany no nandimby azy ary nanjaka tao Vohidrazana 1.

Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARAFEFY (c.1040-1060 AD) zanany no nandimby azy Ary nanjaka tao Vohidrazana II.

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA (c.1080-1100 AD) zanany no nandimby azy Ary nanjaka tao Anevoka,

dia samy razamben' ny Mpanjaka teto Imerina.


Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1280-1300 AD) no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina dia efa nanomboka tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c.1280 AD).

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, Mpanjaka RFARAMAHERIOMBY vadin' ANDRIAMPENITRA na RAFANDRAMANENITRA, Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-1500 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 



Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay TSY AZO HOVAINA:

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny HAFATRA sy ny SOATOAVINA ANDRIANA MERINA navelan' ireo RAZAMBE MPANJAKA ary nohamafisin' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary mbola nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia 

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY DIA MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !



Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.