mardi 28 août 2012

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: NY RAFI-PITONDRANA:


FANJAKAN’ I MADAGASIKARA :

Lalàm-panorenana manaja an’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, ary mifototra amin' ny Baiboly Tenin'Andriamanitra, manaiky an' i Jesosy Kristy ho Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo, manaja ny Soatoavina Malagasy.
------------------------------


1. ANARANA: FANJAKAN' I MADAGASIKARA.

2. RAFITRA: FANJAKANA (fa tsy repoblika intsony).

- Fanjakana Foibe:
- Fanjakana isam-paritra:
- Faritra.
- Firaisana.
- Fivondronam-pokontany.
- Fokontany.

3. VONDRONA ITSINJARAM-PAHEFANA:

3.1. ROVAM-PANJAKANA:
- Mpanjaka no Filoham-Panjakana (voafidin'Andriamanitra).
- Fihaonamben’ ny Ampanjaka manerana an' i Madagasikara.
- Filankevitry ny Rovam-Panjakana.

3.2. FILANKEVITRY NY MPISORONA.

3.3. ASA MPANAO LALANA:
- Antenimieran’Andriana (Solontena isam-poko).
- Antenimieram-Bahoaka (Solontena isam-poko).

3.4. ASA FITSARANA:
- Fitsarana Nenti-Paharazana.
- Fitsarana Vaovao.

3.5. ASA MPANATANTERAKA:
- Ny Governemanta: Praiministra sy Ministra Roambinifolo
ary miampy Sekreteram-Panjakana.
- Ny Rantsa-mangaika ny Governemanta amin' ny Fanjakana isam-paritra.


3.6. FILANKEVITRA MIKASIKA NY KOLOTSAINA SY TOE-KARENA ARY FIARAHA-MONINA.
- Filankevitra ara-Kolotsaina.
- Filankevitra ara-Toekarena.
- Filankevira ara-Piaraha-monina.


Fanamarihina:

- Fepetra iraisana amin' ireo tompon'andraikitra rehetra: Olona matahotra an'Andriamanitra Andriananahary, mandeha amin' ny Fahamarinana, manaja ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena, tsy manao kolikoly, tsy mpivarotra tanindrazana.



"Dia ho FANJAKA-MPISORONA sy ho FIRENENA MASINA ho Ahy hianareo"(Eksodosy 19:6).

"MITSANGANA, MIHAZAVA, fa TONGA NY FAHAZAVANAO, ary NY VONINAHITR' I IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO" (Isaiah 60:1).



Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.
(c) Copyright. 



lundi 27 août 2012

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HITONDRA FITAHINA HO AN' NY FIRENENA:




FANJAKAN’ I MADAGASIKARA
LALAM-PANORENANA HITONDRA FITAHIANA HO AN’ NY FIRENENA

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-pisorona sy Firenena Masina, manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina Malagasy, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Ho tapitra ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany izay nitondra fahantrana ho an’ ny vahoaka. Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, efa 2000 taona lasa izay, i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary. Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.


1. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA:

Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara ho Lahimatoan’ ny Tany! Ho Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany!

Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36).  Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Filoham-panjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Andriamanitra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.


2. TENIN’I ZANAHARY FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5).  Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna, izay marina mandrakizay ary azo itokisana, fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.


3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.

Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ i Zanahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.


4. FOKOM-PIRENENA FA TSY ANTOKO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ary ny fokom-pirenena, , izay mahenika ny firenena manontolo, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively. 


FEHINY: Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny jadona na ny demokrasia. Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, faha-21 Septambra 2010.

Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka to Madagasikara.



 (c) copyright.


lundi 20 août 2012

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FIRENENA MANAN-KARENA INDRINDRA ERAN-TANY


FANJAKAN' I MADAGASIKARA:

TOE-KARENA: FIRENENA MANANKARENA INDRINDRA ERAN-TANY :


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia hajorony eto ny Fanjakan’ i Madagasikara, fanjakam-pisorona. Madagasikara Tany Masina, Ilay Tany Fototra, dia tena handroso amin’izay.

Eto no firenena manankarena indrindra eran-tany, misy ny tahiry solitany lehibe indrindra eran-tany, misy ny tahiry volamena sy vatosoa betsaka sy tsara indrindra eran-tany, izay misy karazany fito-polo mahery (diamond, saphir, rubis, émeraude, pezzotaite, schiavinatoite, londonite, alexandrite, labradorite, améthyste, jaspe, grenat, demantoide, tourmaline, morganite, chrysobéryl, citrine impériale, topaze, quartz, cristal, sns...),

misy ny karazana akora rehetra ambonin’ ny tany ao anaty ny fisokajiana nataon’ i Mendeleev sy harena ankibon’ ny tany maro (Argent, Charbon, Chrome, Cobalt, Fer, Gaz naturel, Ilménite, Mercure, Nickel, Niobium, Or, Pétrole, Platine, Plutonium, Rhodium, Uranium, Titane, Thorium,...sns), misy zavamaniry tranainy indrindra eran-tany sy mahasitrana ny aretina isan-karazany.

Fa tsy hisy intsony orinasa vahiny hitrandraka ny harenam-pirenena. Ary voaozona hatramin’ ny tarànany ny tompontany sy ny vahiny izay mangalatra ny haren’ny firenena sy mivarotra tanindrazana, indrindra ireo nosy manodidina antsika.

Mahatratra 100.000 Milliards Dollar US no sandan’ ny harena eto raha kely indrindra. Ary 10 Milliards Dollar US isan-taona no vola mety ho azo amin’izany raha kely indrindra rehefa vokarina eto, ary tsy azo hamidy any ivelany raha tsy efa voakaly eto Madagasikara.

Hajoro ny Bankim-pirenena hiaro ny tombontsoam-pirenena. Hajoro ny Orinasam-panjakana maro hitrandraka ny harena goavana an-kibon’ ny tany, ary ny tompontany no mitantana azy ireo am-pahamarinana. Ny teknolojia sy ny teknisiana no mety ilaina ny avy any ivelany. Ary ho lasa firenena anisan’ ny matanjaka sy mandroso indrindra eran-tany tokoa i Madagasikara !!!


Prince Rev. Dr Ndriana RABARIOELINA,                                                                                   Lehiben' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.
(c) Copyright.

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HO FIRENENA VOALOHANY ERAN-TANY



FANJAKAN' I MADAGASIKARA: 
HO FIRENENA VOALOHANY FA TSY HO FARANY :



Ara-tantara dia firenena anisan’ny natanjaka indrindra eran-tany ny Fanjakan’ i Madagasikara, tamin’ ny Taonjato faha-19, izay neken’ ny firenena vahiny, toa an’i Etazonia, Frantsa, Alemana, Angletera, ary mbola teo alohan’ i Japana.

Taorian’ ny Konferansa tany Berlin (1884-1885) anefa, izay nivorian’ ireo firenena tandrefana mpanjanatany (Alemana, Angletera, Aotrisia-Hongria, Belzika, Danemark, Espana, Etazonia, Hollanda, Italia, Lafrantsa, Portiogal, Rosia, Soeda, Torkia),

dia tonga teto ny mpanjanantany frantsay ary nopotehiny ny firenena, nampijaliany sy notifiriny ary novonoiny ny tompontany an-tapitrisa, ary nangalariny ny tany sy ny harem-pirenena teto Madagasikara, nandritra ny efatra amby enim-polo taona (1896-1960), harena izay mahatratra 100 Milliards Dollar USD mahery, izay tsy maintsy haverin’ ilay firenena mpanjanantany.

Napetraky ny mpanjanantany frantsay ny Rafitra Repoblikana, laika, demokratika (1960-2009), izay kolotsaina vahiny tandrefana, miaraka amin’ ny resaka Antoko Politika sy Demokrasia ary ny fandàvana an’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, rafitra repoblikana nentin’izy ireo nampiadiana ny tompontany sy nampahantrana ny firenena iray manontolo, sy nanohizan’ izy ireo ny fangalàrana sy ny fandrobàna ny harem-pirenena ary ny fanapotehana ny firenena. 10 Milliards Dollar USD no vola very raha kely indrindra, nandritra ny dimam-polo taona farany, vokatry ny famoahana antsokosoko ny harena teto.


Ny filohan’ ny repoblika efatra nifandimby, teto amin’ ny firenena, dia voaongana hatrany satria: na saribakoly nolalaovin’ ny vahiny, na nandroba ny harem-pirenena, na nivarotra tanindrazana, na nampijaly sy nitifitra ary namono vahoaka, na niasa fa tsy nahavita, ka tonga amin’izao faha-dimam-polo taonan’ ny fahantran’ ny vahoaka izao. Ary izay mbola mieritreritra Repoblika dia mbola tratran' ny velapandriky ny mpanjanatany, voaozona ary tsy maintsy hirodana hatrany.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, nolazainy tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra vitsy, dia hirodana ny sivilizasiona tandrefana satria mandà sy manohitra an’ i Zanahary, YHWH, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, indrindra ny namoaka lalàna mankasitraka zavatra mamoafady. Ary ho haverin’ i Zanahary amin’ i Madagasikara ny Nosy rehetra izay azy fahiny (Bassas da India, Europa, Juan de Nova, Iles Glorieuses, Tromelin, Comores, Mayotte, Diego Garcia, La Reunion…).

Ary hiverina amin’ i Madagasikara ny harena rehetra izay navoaka teto, tamin’ ny tsy fahamarinana, fa ozona kosa ho an’izay olona na firenena mitazona izany harena izany, na iza na iza, ary na aiza na aiza misy azy, ka tsy mamerina azy eto Madagasikara.

Ary ho hajoron’ Andriamanitra YHWH eto Madagasikara tsy ho ela intsony ny SIVILIZASIONA VAOVAO, ny RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO, ny OLOM-BAOVAO, manaja an’ i Zanahary YHWH sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena: FANJAKA-MPISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodoy 19:6), fanjakana miorina amin’ny Baiboly Tenin'Andriamanitra, manaja ny Fianakaviana sy ny Soatoavina Fito (Fanajàna an'Andriamanitra, Hasina, Fahamarinana, Fihavànana Firaisankina, Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena), mankatoa an' i JESOSY KRISTY, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, ary ho lasa firenena mandroso, anisan’ ny ho voalohany indrindra eran-tany i Madagasikara !!!


Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany: "...dia hahatonga anao HO FIRENENA LEHIBE AHO sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO; ary HO FITAHINA TOKOA IANAO; ary HITAHY IZAY MANISY SOA ANAO AHO, fa hanozona izay manozona anao; ary AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN'NY TANY" (Genesisy 12:2-3).


"Dia hataon'i YHWH ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' YHWH ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY" (Detoronomia 28:13).


Antananarivo, 21 Jona 2010.


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny FIOMBONAMBEN' NY ZANAKANDRIANA SY AMPANJAKA 
ETO MADAGASIKARA.
(c) Copyright.