lundi 24 septembre 2012


FANJAKAN’ I MADAGASIKARA: FANJAKAM-PISORONA SY FIRENENA MASINA:


1- Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA, amin’ ny maha-Filohan’ny Fihaonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara anao dia ahoana ny fahitanao ny fahaleovantenan’ i Madagasikara ?

Amin’ ny maha-Filohan’ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara, avy amin' ny Lahimatoan’ ny Fianakavian’ ny Mpanjaka eto Madagasikara anay, dia tiako ny manamafy fa efa nahaleotena i Madagasikara nandritra ny Telo arivo taona, nanomboka tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Solomona (970-931 taona talohan’ i J.K) raha kely indrindra ka hatramin’ ny 1896. Ary ny Fanjakan’ i Madagasikara dia anisan’ ny firenena lehibe indrindra teto amin’ ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika, ary efa lasa lavitra amin’ ny lafiny maro noho i Japana talohan’ nanjakan’ ny Emporora Meiji tamin’ ny taona 1868.

Ny Fihaonandehibe tany Berlin (1883-1885) ho fizarana an’ i Afrika sy Madagasikara no nanova ny politika iraisam-pirenena. Ankehitriny, ny zanatany frantsay taloha dia mbola ao anaty fanjanahantany vaovao, amin' ny endriny repoblikana, laika, demokratika, izay mifanohitra amin' ny Tenin'Andriamanitra, narafitr' ilay frantsay Jacques Foccart, ary naparitaka manerana an' i Afrika sy Madagasikara tamin' ny alàlan' ny tambazotra Fransafrika.


2- Ahoana no fahitanao ny fitondrana ny firenena nandritra izay dimam-polo farany izay ?

Ireo mpitondra repoblikana sy ireo governemanta nifanesy, nanomboka tamin’ ny taona 1960 ka mandraka ankehitriny, dia tompon’andraikitra amin’ ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena. Indrindra koa fa tsy nisy niomana tamin’ izany. Taorian’ ny 52 taona nisian’ ny rafitra repoblikana sy tezamita (1960-2012) dia tafiditra ao anatin’ ny firenena 40 mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara (Indice de Développement Humain très faible, IDH, PNUD, 2011), ary vao maika miharatsy aza izany amin’ ity taona 2012 ity, satria mihaotra ny fito amby fito-polo isan-jato (+77 %) ny mponina no tena mahantra ary miaina amin’ ny fidiram-bola latsaky ny 1 Dollar USD isan’andro.


3- Ahoana ny fahitanao ny fianam-pirenena ankehitriny raha oharina tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka sy ny Fanjakan’ i Madagasikara fahiny?

Tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka sy ny Fanjakan’ i Madagasikara fahiny dia nisy ny Fanajàna an’Andriamanitra Andriananahary ary ny fanajàna ny soatoavina sy ny kolotsaina. Nisy ny fanajàna ny mpitondra sy ny fifanajàna, nisy ny tena fandraisan’andraikitra, ny fitadiavana sy ny fikatsahana ny tsara sy ny raitra ary ny tonga lafatra. Tena nisy koa ny fitsinjovana ny tombontsoan’ ny firenena sy ny tombontsoan’ ny vahoaka, fa tsy ny tombontsoan’ ny mpitondra irery ihany sahala amin’ ny ankehitriny.

- Teo amin’ ny lafiny fandriam-pahalemana, nisy kokoa izany satria nisy tafika manaraka baiko sy maro an’isa ary tsara hofana, ary indrindra koa noho ny firaisankinan’ ny fokonolona miaro ny vohitra, indrindra tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (1778-1810) ka hatramin’ ny andron’ ny Mpanjaka Ranavalona 1 (1828-1861). Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina dia namorona ny Akademia Miaramila voalohany, izay nanofànana ny miaramila tao Antsahafilo-Avaradrano. Ary ny Tafika tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Ranavalona 1 dia naharesy ireo tafika frantsay sy tafika anglisy nanafika teto Madagasikara.

- Teo amin’ ny lafiny fampianarana, nisy fampianarana avo lenta miaraka amin’ ny taranja mafonja izay nisy votoatiny lalina teto Madagasikara. Ny zaza dia tsy maintsy nandeha nianatra ary ny fampianarana dia tsara. Ny mpampianatra dia tsara hofana. Nisy ny fandrosoana ara-kalitao sy ny fitomboan' ny isan' ny sekoly ambaratonga voalohany sy ambaratonga faharoa ary ambaratonga ambony. Ny Fianarana Ambony dia tena avo lenta tokoa. Tamin’ ny taona 1896, izany hoe tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Ranavalona III, dia nisy mpianatra 200.000 tao anatin’ ny Fanjakan’ i Madagasikara, ary sekoly kristiana no betsaka tamin’izany. Ary Madagasikara no anisan’ ny firenena nànana mpianatra betsaka indrindra eran-tany.

- Teo amin’ ny lafiny ara-piaraha-monina, nisy ny fihavanana sy ny firaisankina isam-bohitra ary ny fitsinjovana sy ny fikatsahana ny tsara ho an’ ny mponina. Nisy fitsinjovana ny marary tamin’ ny fanangànana Sekoly Ambony Fianarana Dokotera Mpitabo tao Ankadinandriana sy fanangànana ny Hopitalin’ Isoavinandriana izay nanara-penitra ary niaraka tamin’ ny dokotera mpitsabo tsara hofana.

- Teo amin’ ny lafiny vola sy toekarena, ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (1778-1810) dia nahavita nanangona tahirim-bola mba ho fampandehanana ny fanjakana mandritra ny zato taona manaraka azy, tao amin’ ny Lapam-panjakana tao Ambohimanga. Ary natomboka ny famoronana orinasa majinika sy ny orinasa vaventy tamin’ ny alàlanan’ ny famadihana ny akora ho vokatra entina hampandrosoana ny indostria (cf. Ranavalona I izay nampian’ i Jean Laborde tany Mantasoa).

- Teo amin’ ny lafiny tontolo iainana, tena nisy ny fanajàna sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fitsinjovana ny harena voajanahary (izay tena mifanohitra amin’ ny fanapotehina ny zava-maniry sarobidy sy ny fandripahana ny biby sarobidy ary ny tontolo iainana ankehitriny, toy ny fanondrànana antsokosoko ny hazomena milanja 52.000 taonina mahery..).

- Teo amin’ ny lafiny ara-sakafo, dia nihinan-kanina tsara any ankamaroan’ ny Malagasy fa tsy maty noana na tsy ampy sakafo sahala amin’ ny ankehitriny. Noho izany, nanana fari-piainana ambony kokoa noho ny ankehitriny ny mponina tamin’ izany.

- Teo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena, Madagasikara dia anisan’ ny firenena lehibe indrindra manerana an’ ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika. Tsy izany intsony no zava-misy amin’ izao fotoana izao.

Fehiny, amin’ izao rafitra fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao izao, dia ilay rafitra repoblikana, laika, demokratika, ny mpanao politika dia samy tia ho lohany avokoa, tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany manokana ny ankamaroany, ary tsy misy manaiky ho tompon’andraikitra amin’ ny tsy fahombiazana. Noho izany dia tena gaboraraka sy lasa fanjakan’ i Baroa ny fitantànana ny firenena.


4 – Ahoana ny hevitry ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana syAmpanjaka eto Madagasikara manoloana ny olana misy ankehitriny eto amin’ ny firenena?

Talohan’ ny nahatongavan’ ny Asiatika, ny Afrikana sy ny Arabo ary ny Eoropeana teto Madagasikara, ny Mpanjaka sady Mpisorona Andriantomara, razamben’ ny Andriamanjaka teto Imerina sy teto Madagasikara, izay niaina efa ela be aman-jato taona talohan’ i Jesosy Kristy, dia nilaza hoe: "Ry Zanakandriana, zanako lahy, tsofiko rano ho anareo ity Nosy ity, ary mitsodrano anareo aho hanjaka sy hitondra eto amin’ ity Nosy Madagasikara ity”. Koa fitahiana ho an’ izay manaja sy manaraka izany, ary ozona kosa ho an’ izay rehetra mitsipaka sy tsy manaja izany hafatra izany.

Ary taorian’ ny tsy fahombiazan’ ny mpitondra repoblikana, izay betsaka fahalovana, tsy nahay mitondra, betsaka mpangalatra, mamono vahoaka, mamadika tanindrazana, mivarotra tanindrazana, ka nahatonga ny fahaverezan’ny vola miditra ho an’ ny fanjakana mihoatra ny 100 Lavitrisa Dollar USD, izany hoe mihoatra ny 200.000 Lavitrisa Ariary, nanomboka tamin’ ny 1960 ka hatramin’ ny 2012, dia manana adidy mavesatra ny Andriana, eo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, mba hanjaka sy hitondra ary hanavotra an’ i Madagasikara sy ny firenena manontolo.

Noho izany, nanomboka tamin’ ny taona 2010, ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara, dia miasa am-pilaminana amin’ ny fampijoroana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina, izay ho hajoron’Andriamanitra ary ho hita mazava tsy ho ela intsony eto amin’ ny firenena, miaraka amin’ ny Lalàm-Panorenana Vaovao miainga sy mifototra amin’ ny Baiboly Tenin’Andriamanitra, ho Famonjena sy ho Fanavotana ary mba hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.