samedi 21 décembre 2013

HAFATRA AVY AMIN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:

Ry malagasy mpiray tanindrazana,

"...Adidy masina ny mandefa hafatra ho an' ny Malagasy rehetra fa JESOSY MASINA irery ihany no LALANA sy FIAINANA ary FAHAMARINANA ary TSY MISY LALANA MANKANY AMI' NY RAY AFA-TSY AMIN' NY ALALANY(Jaona 14:6).

Ary tsy tokony hivory any amin' ny Tempoly tsy misy Jesosy ny kristiana na hiara-dia amin' ny tsy mpino Azy. Koa miantso izay tafiditra ao anatin'izany sy ny Malagasy rehetra mba hibebaka, hiala ao sy hiala amin' ny ratsy fanao rehetra, ary tena handray sy hanaiky 100% an'i JESOSY MASINA ho TOMPO sy MPAMONJINY, mba handovany ny Fanjakan' ny Lanitra sy hitondrana fitahina ho an' ny firenena!
..."

"...Fanjakana mankatoa an'i Jesosy Masina Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15) no Planin'Andriamanitra ho an' ny firenena rehetra talohan' ny namoronany izao tontolo izao.


Matoa ny 92% ny Malagasy dia lasa mahantra, mirongatra ny dahalo sy ny mpangalatra, manjaka ny tsy fahamarinana, manjakazaka ny vahiny, mirongatra ny pesta sy ny cholera, 17 amin' ny Faritra 22  manerana ny Nosy dia voan' ny andiham-balala dia tsy nisy Fitahina eo amin' ny firenena satria niala tamin'Andriamanitra ny mpitondra nifandimby ary nametraka Lalam-panorenana tsy mifanaraka amin' ny Sitrapon'Andriamanitra (Deot.28).


Ary Jesosy Masina efa niteny tamin' i Mama Nenilava hoe "AHY I MADAGASIKARA, ARY FONGORAKO ETO IZAY REHETRA MIFANOHITRA AMIN' ANDRIAMANITRA." (cf.Raki-tsoratra nasain'i Jesosy nosoratana Raiamandreny Toby Fifohazana FFPM).


Koa isika tsy mahazo miantehitra amin'olombelona fa amin'Andriamanitra irery ihany (Jeremia 17) ao amin' i Jesosy Masina (Jaona 3:16). Koa mivavaka sy miasa mafy isika mba ho maro ny Malagasy hibebaka (II Tantara 7:14) ary mivavaka isika mba tonga haingana ny Famonjen'Andriamanitra ny firenena (Isaiah 60:22


Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ao amin' i Jesosy Masina, Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo!


"MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'YHWH EFA MIPOSAKA AMINAO" (Isaiah 60:1).


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.



jeudi 11 avril 2013

JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA SY TOMPON’ NY TOMPO ETO MADAGASIKARA:


FIOMBANAMBEN’ NY ZANAKANDRIANA SY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:


FIVORIAMBE:


JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA
SY TOMPON’ NY TOMPO ETO MADAGASIKARA:


1) Ny Fiombanamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara, tarihan’ ny Filoha Prince  Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA, dia nanao Fivoriambe ny Alahady 17 Marsa 2013, ary notohizana ny 22 Marsa, 26 Marsa, ary ny 06 Aprily 2013 teto Antananarivo. Tonga nanatrika izany fivoriana izany ny solontena eni-polo mahery no sady sangany, avy amin’ ny lafy valon’ ny Nosy (Imerina Eni-Toko, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Antanosy, Betsileo, Sakalava-Menabe, Sakalava-Analalava, Bara, Tanala,… sns).


2) Ara-tantara dia notsahivina fa Taranak’Abrahama, Isaka ary Jakoba, Taranak’Israely, daholo ny Ampanjaka sy Zanakandriana manerana ny Nosy, ary efa samy namoaka izany tantara miafina izany ny isam-poko. Ary notsahivina ihany koa fa taranaka voafidy ary nataon' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, ho "Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina" (Eksodosy 19:6) eo anatrehany.


3) Ary nohamafisina fa efa nisy hatry ny ela, ary mihoatra ny 3.000 taona mahery, ny rohim-pihavanana eo amin’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana rehetra manerana ny Nosy. Notsahivina ihany koa fa ny razamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, manerana ny Nosy, no nitondra ireo Fanaka Masina sarobidy tao amin’ ny Tabernakely tao Sinai sy ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema, indrindra ny Fiara Fanekan’ i IHWH misy ny Didy Folo nosoratany tamin' ny tànany sy ireo Fanaka Sarobidy Volemena, taorin’ ny Taona 587 talohan’ i Jesosy Kristy, avy any Israely nankaty Madagasikara izay Tany Edena fahiny, Ilay Lahimatoan’ ny Tany.


4) Tamin’ ireo fivoriana ireo dia tsapa fa marobe ny zavatra tsara vitan’ ny Mpanjaka sy ny Zanakandriana ary ny Ampanjaka teto Madagasikara, nandritra ny taon-jato maro: Ny Famoriana ny foko niady nanerana ny Nosy, nanambatra izany ka lasa fanjakana iray; ny Fampidirana ny Fampianarana an-tsoratra; ny Fampandrosoana ny firenena amin' ny lafiny maro ka nahatonga ny Fanjakan’i Madagasikara ho anisan’ ny fanjakana lehibe indrindra manerana ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika; ny Fiarovana ny tanindrazana ary ny Fitandrovana ny fiandrianam-pirenena.


Nisy koa anefa ireo ota-fady sy zavatra ratsy nataon’ ny mpitondra sasany, ny olona sasany tao amin'ny foko ary ny zana-poko samihafa teto Madagasikara tany aloha. Miampy trotraka amin’izany ny disadisa sy ny fahalovana ary ny olana politika goavana vokatry ny ataon' ny mpanao politika, misy ankehitriny.


5) Koa nibebaka sy nifona tamin’ IHWH, Iray Masin'Israely, Andriamanitra Andriananahary, ny Fiombanamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, ary nangataka ny ràn’ i Jesosy Kristy Tompo mba hanadio ny fahotan’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana manerana an’ i Madagasikara, araka ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: “Ny ràn’ i Jesosy Zanany no manadio antsika amin’ ny ota rehetra” (I Jaona 1:7).


Manaraka izany dia nanapa-kevitra izy ireo, teo anatrehan’IHWH, Iray Masin'Israely, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, fa hanamafy ny fifankatiavana, ny firaisankina sy ny fifanampiana ary ny fifanohanana hatrany, ary hanamafy ny Fahamarina sy Fahamasinana.


Ary mitaona ny vahoaka Malagasy rehetra hibebaka, hiala amin' ny ratsy fanao, ary hanao izany koa, araka ny Baikon’IHWH, Iray Masin'Israely, satria “IHWH dia Fitiavana, Marina ary Masina”. Hoy ny Tenin'IHWH: "Fa toy izao no nitiavan'IHWH izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana (Iahosoa Masina na Jesosy Kristy), mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hànana Fiainana mandrakizay" (Jaona 3:16). Dia hoy Jesosy Kristy : "Izaho no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy mankany amin' ny Ray afa-tsy amin' ny alàlako" (Jaona 14:6). Ary koa "Izaho no IHWH Andriamanitrareo. Manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo satria Masina Aho" (Levitikosy 11:44).


6) Ary manoloana ny olana politika sy toekarena ary ara-piaraha-monina, izay mianjady mafy eto amin’ ny firenena, indrindra ny fijaliana sy ny fahantrana mihamafy sy mitombo hatrany, izay mahazo ny enina ambi-valopolo (92%) isan-jato maherin’ ny Malagasy, dia nanamafy ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara fa :

7) tsy afaka ny hipetraka na hitaza-potsiny, ary tonga ny fotoana handraisana ny andraikitra sy adidy masina, izay napetrak’Andriamanitra amin’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, ho famonjena sy fampandrosoana ny firenena, araka ny Tenin’IHWH, Iray Masin'Israely, tsy miova omaly anio ary mandrakizay, manao hoe:

"SAMBATRA IZAY FIRENENA MANANA AN'IHWH HO ANDRIAMANINY" (Salamo 119:105).


"SAMBATRA IANAO RY FIRENENA, RAHA TENA ANDRIANA NO MPANJAKANAO" (Mpitoriteny 10:17).


"“NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY
(Isaiah 32:1).


Izay no Sitrapon’Andriamanitra hitondra Fitahina ho an’ ny firenena rehetra. Ozona kosa ho an’ izay firenena mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany.


Farany, nahatsapa koa ny Fiombanamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara fa ady amin’ ny Satana sy ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra no atao, izay mampiady ny Malagasy sy misakana ny fampandrosoana eto amin’ ny firenena, fa tsy ady amin’ny olombelona. Koa tsy misy afa-tsy ny manaiky sy miaraka ary mankatoa amin’ i Jesosy Kristy, Andriamanitra tonga nofo, irery ihany no vaha-olana amin’izany. Ny fifikirana amin’ i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, irery ihany no fandresena ho antsika!

Koa nanamafy indray ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana fa Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra Velona avy any Nazareta, no Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo eto Madagasikara (I Timoty 6:15)!


"MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO" (Isaiah 60:1-2).


Ho an’Andriamanitra Andriananahary irery ihany ny Voninahitra,
ao amin’ i Jesosy Kristy Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo!


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-17 Marsa 2013.


Prince. Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan’ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.