lundi 1 juin 2020

FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA: TSY METY ARY OTA FADY NY COLISEUM AO ANATIROVA ANTANANARIVO

FANAMBARANA:

Ny ROVA ANTANANARIVO misy ireo LAPAN' ANDRIANA maro (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Mahitsielafanjaka, Lapa Manampisoa, Lapa Masoandrotsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Manajakatsiroa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry sy ireo Lapa hafa), ireo TRANON' ANDRIANA, ny TOKOTANIN' ANDRIANA, ireo FASAN' ANDRIANA (Fasan' ny Andriamanjaka lahy sy ny Fasan' ireo Andriamanjaka vavy, ary ny Fitomiandàlana) dia TOERANA MASINA.

Ary ny Fanarenana azy ireo dia tokony MANAJA ny SOATOAVINA sy ny FOMBA ary ny KOLOTSAINA ANDRIANA MERINA. Tsy mila ny Coliseum na ny Ascenceur.

Ny tsy Fanarahana izay dia mia mitondra ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena.

TANY MASINA I MADAGASIKARA!

Ho an' ILay Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra!


Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina.
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

2 commentaires:

  1. : STATISTIKA:

    Avy amin'ny FANAMBARANA FIAROVANA VAKOKA nataon'
    NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
    Fanjakan'i Madagasikara.

    1) OLONA MANAIKY NY FANAJANA NY HASINA SY FIAROVANA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA ARY TSY MAINTSY HESORINA IO "COLISÉE ROMAIN" AO ANATIROVA = 496/531= 93%.

    2) OLONA MANAIKY NY FANOTANA FADY AMIN'NY FAMETRAHANA "COLISÉE" AO ANATIROVA = 36/531 = 07%

    Zoma 30 Oktobra 2020 tamin'ny 07ora50mn.

    Loharano : Imerina, Merina, Ambaniandro, Antananarivo, Tendrombohitra 12 Masina.

    Toavina R.

    #Fanjakana #Madagasikara #Hasina #Vakoka #Rova #Anatirova #Antananarivo #Mpanjaka #Rabarioelina

    RépondreSupprimer
  2. FEHINY: TANTARAN'I MADAGASIKARA.

    Efa 1000 TAONA MAHERY raha kely indrindra no nisian' ny FANJAKAN'ANDRIANA teto MADAGASIKARA, Tany Masina, Tany Fototra, Tany tsy manam-paharoa eto ambonin' ny Tany.

    Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000 AD) no Mpanjaka voalohany nanjaka tamin' izany. Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA (c.1280 AD) taty aoriana no Mpanjaka Merina voalohany izay Razambe nafenina ao Anerinerina, Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina.

    Ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA dia nanomboka tamin'ny 23 OKTOBRA1817 ary Fahatsiarovana ny faha-203 TAONA izao ankehitriny,

    Mila MANKATOA an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ary manaja ny HASINA, NY SOATOAVINA NAVELAN'IREO RAZAMBE MPANJAKA ary ny VAKOKA RAKITRY NY ELA AN-JATO TAONA MARO, tahaka ny ROVA ANTANANARIVO (1610-1896).

    Tsy mety ny Fisian'ny "Colisée romain" ao amin'ny Rova Antananarivo satria tena Fanotana fady amin'ny toerana Masina, manakona sy miamboho ireo Lapan' Andriana sy Fasan' ny Mpanjaka ary ny Tempoly Anatirova. Ary ny Kianja dia tokony ivelan' ny Rova. Koa mila hesorina eo io ary amin'ny Fanarahana ny Soatoavina nenti-paharazana.

    Mila hajaina Ny AMPANJAKA izay RAIAMANDRENY MANAM-PAHENDRENA, MANAM-PAHAIZANA, ary MANAM-PAHAIZANA isam-poko eo amin' ny Firenena.

    Nanomboka tamin'ny Taona 14 Oktobra 1958, izay daty FANAFOANANA NY LALÀNA mikasika ny FANJANAHANTANY tamin'ny Taona 1896. Ny rafitra repoblikana anefa dia ny mpanjanantany vazaha no nametraka azy. Ary izy ireo no nanao ny rafitra repoblika manerana an'i Afrika sy Madagasikara, izay nentina nanapotehina ny SOATOAVINA sy ny VAKOKA nenti-paharazana, nentina nandrobana ny HAREM-PIRENENA ho tombontsoan'ny vahiny, ary nentina nampahantrana ny 95% ny VAHOAKA MALAGASY.

    Madagasikara dia lasa nikoroso fahana ary lasa anisan'ny firenena dimy mahantra indrindra erantany nanomboka tamin'ny Taona 2013 ka mandraka ankehitriny.

    Ny Hafatra napetraky ny RAZAMBE MPANJAKA tany aloha be dia hiverina amin'ny FANJAKAN' ANDRIANA, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, mankatoa an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, manaja ny HASINA, ny SOATOAVINA ary ny VAKOKA RAKITRY NY ELA, izay vao handroso indray ny FIRENENA MANONTOLO.

    NY TANY MANANA NY HASINY,
    NY VOHITRA MANANA NY FADINY !

    TANY MASINA I MADAGASIKARA !

    DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !

    Antananarivo, Vohitra masina, 02 Novambra 2020.

    Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
    Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer