FANAMBARANA :
Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny
Lahimatoan'Imerina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto
Madagasikara,
dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka
tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy
halabato goavana.
Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary.

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina
malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no
vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny
Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny
Tanindrazana !
"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).
(Ohabolana 14:34).
TANY MASINA I MADAGASIKARA !
Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.
Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.
Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire