jeudi 17 avril 2025

FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2025

  SAMBASAMBA ZANAHARY!

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Tsinam-bolana nyvolana Abib na Nissan (Marsa-Aprily) teNy ANERINERINA Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1260-1300 AD).


Anerinerina Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Talata, Sabotsy 29 Mars 6025.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



samedi 18 janvier 2025

NY ANDRIANA DIA FADY OSY, KISOA, VOALAVO, ALIKA ;

 

".... Fa FIRENENA MASINA ho an'i YHWH ANDRIAMANITRAO ianao ka VOAFIDINY ho RAKITRA SOA ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.


Aza mihinana izay fahavetavetana..."

(Deotoronomia 14 :2-3).


"...ary ny KISOA koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan' ireny TSY HO FIHINANAREO ary ny fatiny tsy hokasihinareo..." (Deotoronomia 14:8). 


"...Ary mihinana ny henan-KISOA sy ny ZAVA-BETAVETA ary ny VOALAVO; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy YHWH..." (Isaiah 66:17).


"... ny OSY LAHY natao Fanatitra ho an' ny ota..." (2 Tantara 2:23).


"...Aza omena ny ALIKA izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny KISOA ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo..." (Matio 7:6).


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY,  IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo Vohitra Masina,

Taona Alatsinainy, Sabotsy 4 Janoary 2025.



Hoy

Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

dimanche 3 novembre 2024

FANANDRATANA NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper (01 Nov 2024)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


dia nasaina manokana tamin' ny Fanandratana 


Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper,

Ampanjaka be ny Fanjakana Antemoro,

any Atsimo Atsinanana an'i Madagasikara.


Izy moa dia nandimby ny zokiny Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Marc Brillant izay niamboho. 


Ny Fanjakana Antemoro dia nanomboka tamin' ny taona 1336 AD ary mitohy tsy tapaka mandraka ankehitriny.

Maro amin' ireo Ampanjaka amin' ny Foko hafa eto Madagasikara no nipoitra avy amin' ny Fanjakana Antemoro, tahaka ireo Ampanjaka Antagnala, Betsileo, Sakalava ary Antakarana.


Nisy vahiny nasaina mi-isa ARIVO mahery (+1000) no tonga manotrona izao Fanandratana Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper izao, ary singanina manokana amin' izany :


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


ary reo Ampanjaka maro amin' ny Fanjakana Antemoro.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanao Fanomezana manokana sy nanolotra Boky Masina milaza Tantara 6000 Taona mahery mikasika ny Razamben' ny Foko Merina sy ny Foko Antemoro ho an' Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper.


"... MITSANGATSANGANA, MIHAZAVA FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60 :1).


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Ivato Vohipeno,

Taona Alatsinainy, Zoma 01 Novambra 2024.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara.




lundi 27 mars 2023

LALAM-PANORENANA VAOVAO: MANAJA AN'ANDRIAMANITRA SY NY SOATOAVINA MALAGASY

 VAHA-OLANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA:


FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, 

dia  nanatrika ny Dinika mikasika ny Tontolo Politika sy ny Fifidianana nokarakarain' ny Komity ny Fifidianana Nasionaly Mahaleotena (CENI) teto Antananarivo ny 24 Marsa 2023,


Ary niara-napetraka teo amin' ny laharana voalohany niaraka tamin' ireo Raiamandreny ara-Panahy sy Olobe teto amin' ny firenena:

. Ny Past. Dr. Irako Ammi Andriamahazosoa, Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sady Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),

. Ny Past. Dr. Denis Rakotozafy, Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),

. Ny Monseigneur Archevêque Dr. Samoela Jaona Ranarivelo, Arsevekan' ny Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),

. Ny Monseigneur Archevêque Odon Razanakolona, Arsevekan' Antananarivo (EKAR)..

. Atoa Issa Sanogo, Solontenan' ny Firenena Mikambana (United-Nations) eto Madagasikara.


Manoloana ny Krizy lalina amin' ny lafiny ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-ekonomika, ara-sosialy, indrindra ny Fahantrana sy ny Fijalian' ny 90% ny Vahoaka Malagasy,

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Raiamandreny eto amin' ny Tany sy ny Firenena, dia manome ny Vaha-Olana ho Famonjena ny Firenena:


1) Fanovana ifotony ny Lalampanorenana, mankatoa an' ANDRIAMANITRA ary manaja ny Fotopisainana sy ny Soatoavina Malagasy,


2) Fametrahana ny Mpanjaka sy ireo Ampanjaka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ary ny Fiaraha-miasan' ny Hery Velona rehetra ho Famonjena ny Firenena.


3) Fanangànana ny Fahefana Avo mandrindra ny Fiainam-pirenena, tarihan' Ny Mpanjaka ary misy ny FFKM, ny Olobe manampahendrena ary tena mahay, ny Solontena ny Fiarahamonim-pirenena,


4) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy  ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia hiara-hiasa amin' ny FFKM ary ny Hery Velona rehetra eto amin' ny Firenena ho Famonjena ny firenena.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 24 Marsa 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.





mardi 20 décembre 2022

MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA HO FAMONJENA NY FIRENENA!

 FIVORIANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA

Izay nokarakarain' ny Union Africaine (UA).


Manoloana ny Kolikoly avo lenta mihanaka ao amin' ny Fitondrana, ny Tsy Fanajana ny Zon' Olombelona, ny Tsy Fanajana ny Soatoavina Malagasy, ny Fifidianana Feno hosoka sy feno halabato, ny Fandrobana ny Harem-pirenena, ny Fanapotehina ny Tontolo Iainana, ary ny Fijaliana sy ny Fahantran' ny 81,6%  ny Vahoaka Malagasy,


Tonga nanatrika ny Fivoriana lehibe ireo Solontena avy amin' ny Hery velona rehetra eto amin' ny firenena sy avy amin' ny lafy valon' i Madagasikara :


Ny Mpanjaka sy ireo Solontena Raiamandreny ara-drazana, ireo Raiamandreny ara-panahy, ireo Mpitsara, ireo Manamboninahitra Jeneraly, ireo Solontena ny Fiaraha-monim-pirenena, ireo Solontena Fikambanana vehivavy sy Fikambanana Tanora, sy ny maro hafa.


NY VAHA-OLANA NIVOITRA: ... HO FANAJÀNA NY SOATOAVINA MALAGASY, MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA RAIAMANDRENY ARA-DRAZANA HANDRAY NY ANDRAIKITRA HAMONJY NY FIRENENA!


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina,

Taona Sabotsy, 14-15 Desambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara. 



Fanamarihana: Ny Firenena Mikambana (ONU) dia manaja ny Maha-Izy azy sy ny Soatoavina ary ny Kolotsaina ny firenena rehetra.

mercredi 28 septembre 2022

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAJAINA NY HASINA SY NY FOMBAN' ANDRIANA ARY NY FANARENANA NATAON' IREO MPANJAKA TAO (2022)

 

ROVA ANTANANARIVO :

TOERANA MASINA SY VAKOKA MANANTANTARA NANDRITRA NY TAONJATO MARO ARY TOKONY HAJAINA NY HASINA SY NY FOMBA NANARENANA AZY ARY NY FADY.

NY FANERENANA DIA TOKONY HATAO AMIN' NY ENDRINY TALOHA NANAOVAN' IREO MPANJAKA AZY NY ROVA AO ANTANANARIVO FA TSY HOVAINA NA HAMPIANA NA HANALÀNA.

FA IREO IZAY TSY MANAJA NY HASINA SY NY FOMBAN' ANDRIANA ARY NY FADY AO ANATIROVA ANTANANARIVO DIA MANOTA FADY ARY HO TRATRY NY LOZA.


KOA MANAINGA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HIJORO HIARO NY VAKOKA MALAGASY MANAN-TANTARA EFA AN-JATO TAONA MARO IZAY MARIKY NY MAHA-IZY AZY NY KOLOTSAIN' NY  FIRENENA !


NY TANY MANANA NY HASINY ARY NY VOHITRA MANANA NY FADINY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo Vohitra masina, 23 Septambra 2022.

 

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



mercredi 14 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMBASADAORO DAVID WILLIAM ASHLEY AN' NY FANJAKANA UNITED KINGDOM (2022)

  FIHAONANA 


teo amin ' 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara


sy 


His Excellency Mr. David William ASHLEY,

Ambasadaoron' ny Fanjakana United Kingdom eto Madagasikara,


Ho


. Fanehoana ny Fiaraha-miory sy ny Fampaherezana ny Fianakavian' ny Mpanjaka sy ny vahoaka ny Fanjakan' i United Kingdom noho ny Fiambohon' ny Mpanjaka Elizabeth II.


. Firariana ho ela velona Ny Mpanjaka Charles III any United Kingdom.


. Fanazavana ny Fifandraisan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara sy ny Fianakavian' ny Mpanjaka any United Kingdom nandritra ny Telo Arivo Taona mahery (+3000 Taona).


. Fampahatsiahivana ny Fifandraisan' ny Fanjakan' i Madagasikara sy ny Fanjakan' i United Kingdom nanomboka tamin' ny Taona 1817.


. Fijerena ny Ankehitriny ary ny Fanomanana ny Ho avy.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA!


Antananarivo Vohitra Masina, 

Taona Sabotsy, volana Elul, 14 Septambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.