lundi 27 août 2012

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HITONDRA FITAHINA HO AN' NY FIRENENA:




FANJAKAN’ I MADAGASIKARA
LALAM-PANORENANA HITONDRA FITAHIANA HO AN’ NY FIRENENA

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-pisorona sy Firenena Masina, manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina Malagasy, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Ho tapitra ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany izay nitondra fahantrana ho an’ ny vahoaka. Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, efa 2000 taona lasa izay, i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary. Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.


1. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA:

Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara ho Lahimatoan’ ny Tany! Ho Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany!

Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36).  Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Filoham-panjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Andriamanitra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.


2. TENIN’I ZANAHARY FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5).  Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna, izay marina mandrakizay ary azo itokisana, fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.


3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.

Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ i Zanahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.


4. FOKOM-PIRENENA FA TSY ANTOKO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ary ny fokom-pirenena, , izay mahenika ny firenena manontolo, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively. 


FEHINY: Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny jadona na ny demokrasia. Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, faha-21 Septambra 2010.

Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka to Madagasikara.



 (c) copyright.


3 commentaires:

  1. Hoatran'ny mijery film aho mahita ireto repoblikana ireto sy ny acteur principal ampiasain'ny mpanjanan-tany roa lehibé ary mbola mety hisy manipulateur fahatelo avy ao atsinanana, iray tomotsoa aminireo, koa izao tontolo izao mihintsy no hanao tetika handripaka ny arenan'i Ma-Daga-Sikara na Isiraely vaovao. Tsy misy fidiram-bola io film io fa ny tena indray aza no mety haratra ao, raha tsy mitandrina. Film 1914-1918, film 1947-1960, film 1972, film 2009, film 2012. Dimy izany izao ny film nandalo teto ary asan'ny maizina avokoa izany.
    Fa hoy JEHOVAH hoé: Misia ny mazava ary dia hisy izany (Davida mpanjaka); ozona kosa ho an'ireo izay manao ny aizina
    (ny franc maçon sy ny forongony)na Golliath.
    Ny fitaovam-piadina ny zanak'Andriamanitra: Baiboly.
    Ny an'ny ankilany: basy aman-tafondro na afo hataon'ny mpitazona toerana sy ny mpanongana izay fifandrafiana hataon'izireo, sy sampy, izao tontolo izao, ady an-trano mitovy @ alika mifandrombaka hena, fangaro fivavahana sy politique (ny iray catholichisme politique ny iray protestantisme politique izay principe Babylone) ary ny fasana sy ny fahafatesana.
    ny lalan-kizoran'ny voalohany:fitsanganan'ny tena @ maty
    ny lalan'ny faharoa: Shéol + enfer

    Sahala amin'ny film rôle sy bandy io, koa tsy maintsy ho resy ny bande rehefa ho avy ny farany.
    Tadidio mandrakariva fa Jesoa Kristy anié ka velona ary mahita io film io. Izy no tompon'ny fanjakana ety an-tany tahaky ny any an-danitra fa tsy X na Y na Z. Noho izany XY=0 XYZ=0 fa JK=1 kosa tend vers l'infini. JK=Jesoa Kristy=Ehoba=Yaveh=Jehovah=Adonai tend vers l'infini.

    Jereo tsara ny fampianaran'ny savant Jiosy via intranetwork na internet rehetra fa misy foana ny mathematique?
    ohatra an -O ;an O ;ary an +0 izay hiainantsika na 2012. Ny chiffre 9 dia mamarana hidirana @ 0 na départ vaovao. Ohatra 2009 koa teo @ 2010 ny lalam-baovao any Madagasikara. Mitsipaka miala aina arak'izany ny rafitra 50 taona teo aloha tsipy baolina Anglisy sy Frantsay. Noho izany ny Ampanjaka no manjaka eto manomboka io aire 0+ io 2010 + izany fa step by step ny lalany. Ny hatao hoé politique dia "mahay mampiasa lainga handresena lahatra na poly + ethique" noho izany maizina io resaka io.
    Mametrà fanontaniana tsotra ohatra ny; 20,000,000 vé azo entina @ politique. Tsia avy hatrany ny valiny. Koa iza ary no ho voatendrin'Andriamanitra hitovy @ Davida mpiandry ondry eny an-tsaha tsy milà seza volamena ao anaty tandapa. Ny marina dia tsy iray io DAVIDA MADAGASIKARA satria 6 ny lettre symbolique D-A-V-I-D_A izay Deus ny voalohany ary Adonai ny farany ilay Davida voalohany @ tantara taloha ary ny Davida faharoa @ izao fotoana izao manomé multiple 2 izay 2X6=12 isa ny foko ao @ Israely noho izany tsy Davida iray na début intsony ny isany fa maromaro satria isam-paritra na foko ao @ Israely. Ohatra foko iray voalohany foko misy olom-belona 5 000 000 ny faharoa 1 500 000 ny fahatelo 1 000 000 ny fahefatra 750 000 ny fahadimy 500 000 ny fahenina 400 000 ny fahafito 300 000 sns sns; mahatratra 12 isa io foko io ary mitotaly 19,999,999 ny totaliny vahoakan'Andriamanitra @ ankapobé ary ny iray farany @ io isa io dia ilay iray ampiasain'aizina hamitaka ary mety ho voafitaka hatramin'Andriamanitra aza noho ny lainga hafafiny io farany io.
    Vaha olana:
    Ny vavaka hatao dia izao: halaviro aminay sy ny vahoakanao ireo mpamafy lainga ireo mba hialana @ crise ary hiadanan'ny zanak'Israely.

    Mbola hitohy ny tantara. (wait and see)

    RépondreSupprimer
  2. Hoan'ny Ampanjakan'Madagasikara rehetra.
    Diniho tsara ireto zana-tsoratra ireto ary hataovy lesona fa ny anarana tompoko dia avy amin'Andriamanitra. Fanjakan'ny Mpisorona avy ao Afrika avaratra ny lesona anio.

    H=hebrew
    A=Adonai
    I=Israel
    L=Liberty,liberateur
    E=Empereur

    S=Sacrifice,sacré
    E=endurance maharitra@fanapahana
    L=levite,levitcus
    A=ancestor
    S=successor
    S=sovereign
    E=Eloi

    Io ilay Mpanjaka nomeloin'ny firenen-dehibé tao Afrika koa niantso vonjy ny Jamaikana sy ny Rastaffania rehetra Izy hiaro ny Tanindrazany. Ny finoana no nentiny hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ary nandresy izy satria mitombona ny tantarany.
    Wait and see!

    RépondreSupprimer
  3. Mitandrema isika Malagasy fa efa tafiditra ny fahavalo izay hamotika ny anjara masoandron-tsika. Taolagnaro no lalana nidirany ary ho avy handripaka ny arenan-tsika amin'ny fomba aingana dia aingana io fahavalo io satria efa ela no nitsiriritany izany arenan' i Gasikara Malala izany dia ny Fireneko izany. Tsaroako tsara ny tenin'ny razantsika hoe: mety ho malagasy toy isika ihany no hamadika hivarotra am-pitaka ny tanindrazana satria manan-karena loatra ity faritra Taolagnaro ity. Miaramila mahery fo manam-bonihitra "Mpanjaka teo amin'io faritra io Rainiboana tamin'ny andron'i Ranavalo Manjaka" ary notoheriny hatramin'ny farany ny fidiran'y vahiny mpanjanaka izay nitoby tao Nosy Maorisy sy La Reunion. Samia miheritreritra sy mandinika tsara isika rehetra fa raha mbola tany koa ny tany tsy mbola nisy sahy nanomé io faritra io ho eo am-pelatanan'ny vahiny fa ho ratsy dia ratsy ny fiafaran'izay manao izany satria rà mandriaka sy ady tsy misy fiafarany no nanafahana an'i Taolagnaro teo ampelan-tanan'ny mpanjanan-tany. Manan-jina sy Masina ny Tanindrazana ary ny velorano nanafahana an'i Taolagnaro tsy voavidin'na iza na iza fa ahita raha ireo mpamadika ireo raha manao an' ireo maty ho an'ny tanindrazana ho toy ny tsy misy. Tsara ny hiverenan'ny Ampanjaka hiarovana ny faritra satria manaonao foana ny repoblikana.

    RépondreSupprimer